Actualités

Afera Claudine Razaimamonjy Tapitra hatreo ny raharaha ?


  • Zoma 17 Novambra 2017

Tsy nisy tohiny intsony ny raharaha Claudine Razaimamonjy, izay voasaringotra tamina kolikoly avo lenta.

 Efa naman’ny samy vita izy ity, ary nampanginina tanteraka. Sarimihetsika sisa no misy raha hisy, fa izay fanenjehana toa efa foana tanteraka. Miteraka adihevitra ny hoe mbola any am-ponja ve izy ? Tsy misy mahalala izany intsony ny rehetra, saingy maro no mihevitra fa hanamorana ny tsy fahafahana manara-maso azy na migadra na tsia ny namindrana azy tany Manjakandriana. Ny hany fantatry ny maro fotsiny dia hoe nangina sy nampanginina ny raharaha ary sarintsarim-panenjehana no atao raha misy. Na nidrikina aza ny Bianco, dia tsy afa-nanoatra tamin’ny gejan’ny fanjakana HVM. Niaraha-nahita ireny fihetsika mamoafady nataon’ny olon’ny HVM tamin’ny Bianco ireny, saingy mbola miriaria eny ihany ny loholona Riana Andriamandavy, izay nanao fandikan-dalàna ampahibemaso. Notorian’ny sendikan’ny mpitsara fa toa niala maina ireto farany. Ny minisitry ny fitsarana Charles Andriamiseza, izay nanameloka ny Bianco ho manampatra fahefana tamin’ny fitazonana an’i Claudine Razaimamonjy tamin’izany, na nesorina tamin’ny toerany aza efa nomena andraikitra ambony ao amin’ny fitsarana indray. Ny praiminisitra izay voatonona ho mpiray tsikombakomba taminy ary efa notorian’ny vovonana politika DFP (Dinika Fanavotam-Pirenena) tarihin-dry Maharavo Tolojanahary aza tsy mbola voakitika hatreto. Tsy nisy tohiny hatramin’izao. Mbola tsara fiarovana i Claudine Razaimamonjy, ary tsy ho amin’ity fitondrana HVM ity mihitsy no mety hilentehany. Vava efa navoakany rahateo ny aleo aloha hiala ny filoha Rajaonarimampianina, izay vao mikitika azy satria azy ireo izao ny fahefana. Tsiahivina fa anisan’ny vesatra nanenjehana azy ny fanodinkondinana volabe mitentina 500 000 000Ar tamina kaominina roa tany Matsiatra Ambony. Teo ihany koa ilay 390 000 000 mikasika ny raharaha Ambohimahamasina any Matsiatra Ambony hatrany, izay tsy nisy tohiny. Mbola misy dosie 4 hafa, raha ny efa nambaran’ny  Bianco.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT