Actualités

Afera boaderôzy Niala tamin’ny fahanginany ny Dr Emmanuel Rakotovahiny


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Tsy misy aloha hatramin’izao ny fanendrena ny minisitry ny tontolo iainana vaovao fa mbola ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, Omer Beriziky, no misahana vonjimaika io departemanta io, ary Atoa Emmanuel Rakotovahiny, iray amin’ireo mpanolotsaina 50 manodidina azy, no nalefany hisolotena azy ao amin’ity ministera ity.

 Araka ny filazan’ity farany dia mandeha araka ny tokony ho izy, aloha hatramin’izao ny asa, tsy mbola nahare olona na mpiasa nitaky ny hialako aho, hoy ny Dr Emmanuel Rakotovahiny koa dia mbola eto ihany aloha aho. Mikasika ny fitokonana ataon’ny sendikan’ny mpiasan’ny ala kosa dia, nilaza ity praiminisitra taloha ity fa tokony hatao mazava tsara ny tena anton’ny fitokonana, ary mba tokony hahatsapa tena sy ho tompon’andraikitra amin’ny zavatra ataony ireo manao izany. Nilaza tranga iray moa ny Dr Emmanuel Rakotovahiny momba ny mpitarika ity fitokonana ity, izay nambarany fa amin’ny andro amin’ny 9 ora sy sasany maraina tsy mbola miditra birao ihany, amin’ny 11 ora sy sasany anefa dia mety efa mirava hisakafo antoandro indray.

“Moa va hanakarama olona hiasa, sa hanakarama olona hitokona isika ?”, hoy izy. Momba ny raharaha boaderôzy indray dia nanamafy ny Dr Emmanuel Rakotovahiny fa misy hatrany ny fanaraha-maso sy fanadihadiana ataon’ny ministera, ka izay no nahatratrarana ireo bolabola saika naondrana farany teo tany atsimo. Misy olona 5 voatazona ao amin’ny polisy ao Toliara amin’izao fotoana, noho io afera io, hoy izy, ary mbola misy ny olona hafa karohina any Mahajanga any. Hentitra koa i Emmanuel Rakotovahiny raha nilaza fa “tsy misy ara-dalàna ireo tahirina boaderozy rehetra eto Madagasikara amin’izao fotoana”, ny antony dia satria “tsy nisy na dia iray aza nahazo alalana hanapaka hazo ireo mpandraharaha manana izany, fa kosa nividy hazo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna”. 

Hevitry ny Tia Tanindrazana 

Somary nanaitra ihany ity nambaran’ny Dr Emmanuel Rakotovahiny ity hoe : tsy misy tahirina boaderôzy ara-dalàna eto amintsika amin’izao fotoana. Koa raha izany no izy, inona no tsy nisamborana sy nanadihadiana haingana ireo mpandraharaha rehetra nanana tahiry ? Fa nahoana no nitazam-potsiny ny fitondrana tetezamita, ary na ny praiminisitra Beriziky aza dia toa nandamin-dresaka tany amin’ny Faritra SAVA sy nihaona tamin’ireo mpandraharaha, manana tahirina boaderôzy, tsy ara-dalàna ireo. Sa ve samy manana ny heviny koa momba io resaka io ny praiminisitra sy ingahy Rakotovahiny ? Tsy tokony hahagaga izany raha mahazo fanakianana mavaivay avy amin’ny olona ny praiminisitra sy ireo mpiara-miasa akaiky aminy, noho ny fitavozavozan’izy ireo mandray andraikitra !

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT