Actualités

Afera Accčs Banque Tazonin’ny zandary ireo mpiandry fonja


  • Sabotsy 03 Novambra 2012


Samy manana ny filazany ny mpiandry fonja sy ny zandary momba an-dRasolo Stéphane, ilay jiolahy voatifitra teny Tsiadana ny alarobia 31 oktobra teo, toarian’ny fanafihana ny Accès Banque Andraharo.  

Gadra nitsoaka ny fonja ny 24 septambra ilehio, hoy ny feo avy eny Antanimora, gadra navoaka indray kosa, hoy ny fanazavan’ny Bôdega teny Betongolo. Dia mifamahofaho eo ny raharaha. Misy raharaha vaky trano miharo vono olona ihany koa mifaningotra amin’ity Rasolo Stéphane ity. Tadidin’ireo olona lasibatra tamin’izany ny endriny, rehefa nampifanatrehana taminy teny Betongolo, toerana itazomana azy amin’izao fotoana. Mbola anatin’ny famotorana rahateo ny zandary, ary dia mbola voatazona eny Betongolo koa ireo Penitaka maromaro voasaringotra amin’ity raharaha ity, na eo aza ny fitakian’ireo namany ny hamotsorana azy ireo.

 
Nangonin’i Jean D. 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT