Mba hahafahana manampy ireo mpianatra eto amintsika, indrindra fa ireo vao afa-panadinana CEPE dia namoaka boky vaovao amin’ny fiteny malagasy Rakotomalala Minoson, profesora tompon-toerana ao amin’ny fakiolten’ny siansa eny amin’ny anjerimanontolo.
«Afaka CEPE aho ka manomana sahady ny BEPC», no lohateny nampitondrainy ny boky misy 108 pejy, novolavolaina sy nomanina nandritra ny roa taona sy tapany. Mirakitra ny traikefa efa nananan’ity profesora ity tamin’ny fomba fianarany ireo torolalana rehetra anatin’ilay boky ka ny tanjona dia ny mba hahafahan’ny ankizy tena mitia ny fianarany sy hahaizany mifehy taranja maro samihafa hianarany any am-pianarana. Mbola betsaka ireo ankizy tsy mahay mianatra sy mitia izany eny fa na dia efa tonga eny amin’ny anjerimanontolo aza, hoy izy. Efa eo am-panomanana ny boky ho an’ireo afa-panadinana BEPC indray ity profesora ity amin’izao fotoana izao.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.