Actualités

Afabaraka ny MAPAR Tratra ny vola 1 miliara, saika hatao inona ?


  • Talata 09 Jona 2015

Vola be tamin’ny baoritra 2 mitentina 200 tapitrisa ariary na 1 miliara fmg no hitan’ny mpitandro ny filaminana taorian’ny fisavana ny fiaran’ny solombavambahoaka Mapar voafidy teny amin’ny boriborintany faha-2 Lanto Rakotomanga omaly alatsinainy alina.

 Teny Namontana manakaiky ny CSB II no voasakana ary nosavaina ilay fiara vaovao mbola mitondra ny laharana 4505 WWT. Henjankenjana ny fifanazavana izay niafara tamin’ny fifamaliana mihitsy moa teo amin’ny mpitandro filaminana (polisy sy GSIS) sy ireo solombavambahoaka Mapar tonga teny an-toerana ary niaro an-dRamatoa Lanto Rakotomanga. Nisy mihitsy ny fandefasana baomba mandatsa-dranomaso. Nanamafy ireo depiote fa tsy azo atao ny misava ny fiarana solombavambahoaka iray raha mbola ao anatin’ny vanim-potoan’ny fivoriana izy, tahaka ny misy eny Tsimbazaza amin’izao fotoana. Fisavana tsotra no ataonay, hoy ny mpitandro filaminana ary tsy maintsy tanterahanay izany. Novakiana ny fitaratra aorian’ilay fiaran’ny depiote Lanto Rakotomanga ary dia natao ny fisavana ka sarona tao ny baoritra roa feno vola. Ravim-bola 5000 Ar sy 10 000 Ar manana hatevina 10sm avy no tao anatiny, izay mitentina 200 tapitrisa Ariary, araka ny fanisana nataon’ny polisy teny amin’ny BC Anosy varavarana faha-203 ny talata maraina tamin’ny 1 ora latsaka fahatelony. Nanalabaraka ary tena manaratsy endrika ny vondrona politika Mapar ity raharaha volabe tratra tao anatina fiarana depiote tamin’ny andro alina ity satria toa hafahafa ihany izany hoe mpanao politika mivezivezy manerana an’Antananarivo miaraka amina 200 tapitrisa ariary izany. Tsy mbola fantatra mazava moa hoe aiza ny toerana misy ny solombavambahoaka Lanto Rakotomanga. Ny fanadihadiana irery ihany koa no hahafantarana hoe :avy aiza ary mety hatao inona io volabe io ? Mifanandrify amin’ny fisamboaravoaran’ny tontolo  mantsy ny fahatrarana azy.

 


RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT