Raha misy fizarana amboara dia ny Faritra Androy no nandrombaka izany ary nanao pao-droa mihitsy aza, tamin’iny fitsapan-kevi-bahoaka natao ny alarobia 17 novambra 2010 iny. Tany no navitrika ny mpifidy.
68,78% ny tahan’ny fandraisana anjaran’ny mpifidy tamin’ny 187.059 voasoratra anarana. Mbola Androy koa no nandatsaka vato be indrindra ho an’ny ENY tamin’iny volavolan-dalàmpanorenana iny, nahazo vato 171.037 miohatra tamin’ny vato manan-kery 214.425, izay manome salan’isa 79,77%. Eo anatrehan’izay dia fantatra fa ho avy hitsidika iny Faritra Androy iny ny filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Andry Rajoelina. Fitsidihana voalohany hataony any an’Androy io, raha hisy, sady voalohany ivelan’Antananarivo taorian’iny fifidianana iny, hisaorany ireo nandatsa-bato ka nahazoana iny vokatra iny, izay nahafa-po ny FAT.
Tetsy andaniny dia fahagagana ho an’ireo mahalala tsara ny Faritra Androy ny nandrenesana iny voka-pifidianana iny, na mbola vonjimaika aza. Andaniny, Androy no be olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra indrindra eto amin’ny Nosy, ka mametra-panontaniana ihany ny hoe hahalala izay votoatin’izany lalàmpanorenana izany izy ireo. Ankilany hatramin’izay nahalalana an’Androy dia malaina mifidy ny vahoaka any, eny fa na fifidianana olona, toy ny Ben’ny tanàna na koa depiote na filohan’ny Repoblika aza, ka kely finoana ihany ny maro raha fifidianana soratra indray no tonga maro nifidy ny Antandroy. Ny ahiahin’ny maro dia sao nohararaotina tamin’ny tsy fahalalany ny tany an-toerana. Mandeha ihany koa ny feo fa betsaka tamin’ny fitaovam-pifidianana anjaran’ny Faritra Androy no tavela tao Tolagnaro (Anosy) ny talata mialoha ny androm-pifidianana, ka ho sarotra ny hitsinjara ireo fitaovana ireo anatin’ny ora vitsy, ka nahazoana io voka-pifidianana io !
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.