Actualités

Ady totohondry tany Toamasina Nivadika ho sakoroka


  • Alarobia 08 Aprily 2015

Nisehoana sakoroka ny fanatanterahana ny fiadiana ny tompondakam-pirenen’ny lalao ady totohondry 2014 notanterahina tao amin’ny kianja Soavita Toamasina tamin’ny herinandro lasa teo.

 

 Notanterahina tany Toamasina hatrany moa ity fifaninanana ity rehefa nihemo-dava ny fanatanterahana azy. Nikorantana tsy nandeha araka ny tokony ho izy ny fitsarana ny lalao ka nitokona tsy nety nandray anjara intsony ny klioban’ny Cosfa izay manana ny sangany maro ankehitriny eo amin’ity taranja ity. Nikorontana noho ny fitsarana lalao nitanila nanomezana tombony an’ireo mpilalao avy amin’ny ligy mpampiantrano ny mpankafy ity ady totohondry ity ka velona ny sakoroka, tsy nety nilamina raha tsy nidiran’ny mpitandro ny filaminana. Voaporofo tany Toamasina ny tsy fahafehezan’ny filohan’ny federasiona, Rabarisoa Hery Mamy, ny fitantana ity rafitra ity. Tsy araka ny voalazan’ity filoha ity tamin’ny onjam-peo nasionaly hoe ligy valo no tany Toamasina ka nandray anjara tamin’ny hetsika. Tsy nisy afa-tsy ny ligim-paritra Atsinanana, DIANA, Vatovavy Fitovinany, Analamanga ary Matsiatra Ambony ihany no nandray anjara tonga tany Toamasina. Mila haverina ny fiaraha-miasa amin’ireo tomponandraikitra nahavita be teo aloha ny ligim-paritra maro, ho fampahombiazana ity taranja ady totohondry Malagasy ity amin’ny Lalaon’ny Nosy ho avy izao.

Ntsoavina Evariste

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT