Actualités

Ady teny amin’ny fitsarana Resy ny fanjakana


  • Alarobia 14 Martsa 2018

Nofoanan’ny filankevi-panjakana omaly ny didim-panjakana manaisotra ny tonia mpampanoa lalàna ambony,

Rakotonavalona Robertson Ranary taorian’ny fitoriana napetrak’ity farany tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy. Nandresy ny fanjakana foibe izany ity tompon’andraikitra ambony efa teo foana hatramin’ny fitondrana 3 nifanesy ity. Tsy nisy ny fahadisoana goavana voamarina, ary tsy nampiakarina filankevi-pifehezana na CODIS izy, fa nesorina tsotr’izao nandritra ny filankevitry ny governemanta ny 27 febroary. Raha ny fanazavana efa nentin’ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara Faniry Ernaivo, dia anjaran’ny filankevitra ambonin’ny mpitsara (CSM) ny maka fanapahan-kevitra momba izany fa tsy misy idiran’ny filankevitry ny governemanta. Tsy mitovy andraikitra politika na mitovy amin’ny mpiasam-panjakana ambony na tale jeneraly io, lehiben’ny rantsam-pitsarana, hoy izy. Nametraka fitoriana teny anivon’ny filankevi-panjakana noho izany ny tenany, ka dia izao naharesy ny fanjakana izao. Andrasana izay ho setriny avy amin’ny fanjakana satria inoana fa tsy hipetra-potsiny izy ireo. Tsy misy dikany sy tsy misy hasiny amin’ny mpitondra eto amintsika rahateo izany didim-pitsarana avoakan’ny filankevi-panjakana izany, raha tarafina tamin’ny fandresen’ny antoko Tiako i Madagasikara tamin’ny fitoriana napetrany manoloana ny fanafoanana ny fahazoan-dalana hankalaza ny faha-15 taonany teto Antananarivo ny volana jolay 2017. Raharaha mafana mety hampifanolana ny fanjakana sy ny fitsarana indray izany ity resaka fanaisorana ny tonia mpampanoa lalàna ambony, izay nahazo rariny tamin’ny filankevi-panjakana ity. Andrasana ny fivoaran’ny raharaha.


Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT