Actualités

Ady tany-Soamanandrariny Mbola ny samy FAT ihany koa no miady ao ambadika


  • Zoma 23 Jolay 2010

Tsy mbola milamina akory ny raharaha ady tany, 4 ha, etsy Soamanandrariny izay hifanandrinan’ny Advantista sy ny andian’olona ao amin’ny fikambanana “Mifamenola” izay nanorim-ponenana eo amin’ilay tany.

Raha nihaona tamin’ny mpanao gazety omaly ny solontenan’ny mpivavaka sy ny mpitarika ny fiangonana izay notarihin’ny Pasteur Samuel Ravonjiarivelo, filohan’ny “Union” aty amin’ny ranomasimbe indiana, dia nanambara mazava fa eo am-pelatanan’izy ireo avokoa ny taratasy rehetra ara-panjakana izay manamarina fa an’ny eglizy Advantista ny tany. «Efa nataonay izay rehetra tokony ho natao, na ny taratasy ara-panjakana izany na koa ny taratasy ara-pitsarana. Koa matoky ny fitsarana mahefa izahay satria efa be loatra ny tsy rariny nihatra tamin’ny mpivavaka» raha ny fanambaran’io mpitarika fiangonana io hatrany. Ny mampanontany tena dia ny hoe inona moa izany no antony mbola hiadivana lalina amin’ity raharaha ity raha efa mazava avokoa ny taratasy rehetra momba ilay tany ? Tany izay tsy nisy sahy nikitika mihitsy raha tsy tamin’ity fitondrana tetezamita ity. Avy hatrany dia samy namariparitra ireo olona dia samy nanangana trano arak’izay tiany teo.

Rehefa nanontany ny Advantista dia ireo indray no nanangana ady. Ary tsy nisy niala teo amin’ilay toerana satria hoe efa nomen’ny ministra iray ny alalana rehetra hanorin-trano eo. Izao indray dia efa mandeha ny fitoriana rehetra eo anivon’ny Fitsarana ary nanome toky mihitsy aza ny minisitra tompon’andraiktira fa hijery akaiky ny raharaha saingy toa tsy mbola nahitam-bokany mazava izany. Ny antony dia noho ny fisian’ny mpikamban’ny FAT iray hafa izay mitsivalana ao ambadik’ireo andian’olona nanao fanorenana tsy nahazoana alalana. Dikany, lasa adin’ny samy FAT indray koa ity raharaha ady tany etsy Soamanandrariny ity. 

r.d/Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT