Actualités

Ady tany Hararaotin’ny mpanao politika koa


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Natolotra ireo tompon’andraikitra mikasika ny fananantany teny amin’ny hotely Panorama omaly alarobia 28 novambra ny valin’ny fikarohana nataon’ny Observatoire du foncier momba ny tany sy ny fananantany.

 Mitana ny lohalaharana eny amin’ny tribonaly ny resaka ady tany raha ny tatitra. 20% na 30%-n’ny raharaha mandalo eny amin’ny tribonaly dia resaka olana tany avokoa, araka ny nambaran’Atoa Andrianirina Ratsialonana, talen’ny Observatoire du foncier. Maro ireo antony mahatonga ny olana amin’ny resaka tany. Misy ny mampiditra resaka politika amin’ireo mpitondra na mpanao politika manome tany an’ny vahoaka nefa tany manan-tompo. Ao koa ny tsy fisian’ny politika fanitarana ny tanàna.

Mijanona amin’ny toerana iray avokoa ny vahoaka fa tsy miparitaka. Na dia maro toy izany aza ny ady tany eny amin’ny tribonaly dia mbola maro ihany koa ireo tsy mitondra izany eny amin’ny fitsarana noho ny tahotra, na noho ny fahasarotan’ny raharaha. Efa ela no nahazo laka teto amintsika ny ady tany fa mbola misy ihany ary mihamaro aza izany hatramin’izao.

Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT