Hiakatra Fitsarana ady maika anio etsy Anosy ilay raharaha famefena “Parking” eny Antsahatsiroa.
Mifanolana amin’ity raharaha ity ny Fiangonana Ambonin'Ampamarinana miaraka amin’ny fikambanan'ny mpiray vodirindrina Antsahatsiroa an-daniny sy ny milaza ho tompon’ny tany namefy ny “parking” ao Antsahatsiroa. Nitondran’ity farany vaditany sy mpitandro ny filaminana ny famefena ny toerana ny alakamisy lasa teo, tranga izay nanaitra ny mponina manodidina. Ireto farany izay mihevitra hatramin’izay io toerana io ho fananan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Anio ao amin’ny efitra faha-34 ny Fitsarana etsy no ahafantarana ny tohiny.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.