Actualités

Ady tany eny Antanandrano Ankadikely Olona 4 no vonona hamono tena eo amin’ny taniny


  • Zoma 03 Aprily 2015

Olona miisa efatra izay samy mpandova ilay tany mirefy 30 ha eny Antanandrano kaominina Ankadikely amin’izao no vonona hanao vy very ny ainy amin’ny ady hifanaovan’izy ireo amin’ny orinasam-pifandraisana Telma ka vonona ny homono tena ny amin’izany.

Tsy hiala eo amin’io toerana io izy ireo na hisy inona na hisy inona. Ankoatra ny tranon-drazan’izy ireo mantsy dia ahitana fasana miisa enina ihany koa ao amin’ity tany ity izay ananan’izy ireo taratasy ara-dalàna. Raha tsiahivina, ady tany efa 13 taona izy io. Efa nivoaka ho mpandresy ireo fianakaviana tompony teo aloha, didy izay navoakan’ny fitsarana an-tampony nataona mpitsara miisa 22 saingy ankehitriny ny orinasam-pifandraisana Telma indray no nandresy rehefa nampiditra ny raharaha tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany.  Manefa ny adidiny manaitra ny tompon’andraiki-panjakana ny fikambanana HAFARI Malagasy izay mpiaro ny zon’olombelona ny amin’ny fikasan’ireo olona 4 ny hikasa hamono tena eo amin’ny taniny na ambony fasany, araka ny fitarainan’’izy ireo teny Anosizato.

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT