Actualités

Ady tany eny Anosibe Lasa amin’ny anaran’ny mpanofa ny trano…


  • Alakamisy 12 Aprily 2018

Tany iorenan’ny Villa Manohisoa sy ny Villa Soniedanana eny Anosibe akaikin’ny lalamby no miteraka fifanolanana eo amin’ny mpianakavy ary tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny mpanofa trano.

Ilay Misy ny Villa Manohisoa, dia ambaran’ireo fianakaviana an-daniny, fa azy saingy nivadika ho amin’ny anaran’ny mpanofa trano, raha ny fitantaran-dRakotonirina Samuel. Manana ny taratasy ara-dalàna tamin’ny fikarakarana io tany io izahay kanefa nisy fianakaviana niaraka taminay nangalatra ny dosienay, dia nomeny an’ireo olona ireo, hoy hatrany izy. Samy manana taratasy ny an-daniny sy ny an-kilany, raha ny fanazavana. Navadiky ny zana-drahavavin’ny mamanay amin’ilay mpanofa ny trano, ary voalaza fa novidiany 30 tapitrisa ariary tsy nilaza taminay izy io, hoy ireo mitaraina. “certificat jurdique” moa no nasehon’ireo fianakaviana ireo.  3 mirahavavy, izay samy manana ny naterany avy no mpandova. Mangataka fanampiana avy amin’ny fanjakana sy manam-pahefana isan-tsokajiny, ny fitsarana mahefa, ny tsara sitrapo izahay satria efa namoaka vava ireo olona ireo hoe atody miady amam-bato izahay, ary na handanian’io ambaran’izy ireo ny fananany io aza tsy maintsy migadra, hoy hatrany ireto fianakaviana ireto. Efa nisy ny olona mpandrefy tany tonga teny an-toerana omaly. Raha ny fanazavan-dRasaminaivo Victor, dia izy no nitondra mpandrefy tany mba ho fizarana hahazoany ny anjarany, izay notoherin’ny an-daniny. Misy sasany kosa ao no nisambotra vola tamin’io madama io, hoy izy, izay nilaza fa tsy mba isan’ny nandray izany. Misavorovoro tanteraka ny raharaha, ka ny fidirana an-tsehatry ny manam-pahefana no mety hivahan’ny olana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT