Tanina fianakaviana iray eny Ankadindravola Ivato no azon’olona mahitahita sy nahavitany taratasy ara-dalàna raha ny fanazavan’ireo fianakaviana lasibatra. Efa azony ny tany hafa teo amin’ny manodidina, izay tsy misy hidiran’ireto fianakaviana ireto, ka tafiditra afovoany ny azy ireo.
Araka ny nambaran-dRasoamanandray Lala ao anatin’ny fianakaviana lasibatra dia manana ny taratasy ara-dalàna izy ireo ary voarakitra hatrany amin’ny arisivam-pirenena mihitsy ny taratasy fifampivarotana ny tany, nahazoan-dRanaivosoa raiamandreny tany aloha azy io tamin’ny 25 aprily 1925. Efa nahavitan’ireo olona mahitahita taratasy amin’ny anarany anefa ilay tany ka nampiakatra ny raharaha tany amin’ny fitsarana izy ireo hanafoanana ny titra mitondra ny anarana « Soatiana » nataon’ireo olona taty aoriana. Nivoaka ny 27 novambra lasa teo ny didim-pitsarana, ka tsy nanaiky intsony ny hanafoanana io titra io ny mpitsara. Toa tsy dia nisy vidiny teo anatrehan’ny fitsarana ny taratasy eo am-pelatananay, hoy Rasoamanandray Lala. Raha ny fanazavany hatrany anefa dia nahazo fanonerana na “dommage et intérêt” 600 tapitrisa ariary izy ireo, izay azo adika hoe olona lasibatra, ka honerana ny fahavoazany. Nilaza moa ireto fianakaviana mpitory ireto tamin’ny alalan-dRasoamanandray Lala hatrany fa tsy hanaiky io fanonerana io. Ny fanafoanana ny “titre” sy ny tanin’izy ireo nivadika ho amin’ny anaran’olon-kafa no ilainy fa tsy vola velively. Mety ho nampian’ny Lehiben’ny Fari-piadidian’ny fananan-tany ao Ambohidratrimo ireo namadika ny taninay ho amin’ny anarany ireo, hoy ireo fianakaviana lasibatra. Milaza ny hampiakatra ambonimbony kokoa ny raharaham-pitsarana izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.