Naaton’ny fanjakana tanteraka ny asa nataon’ny fiangonana Loterana Malagasy eny amin’ny kianjan’Androhibe, ilay tany niteraka disadisa teo amin’ity fiangonana iray ity sy ireo vahoakan’Androhibe.
Taratasy avy amin’ny prefen’ny polisy eto Antananarivo mihitsy no nampiato izany mandrapisian’ny vahaolana raikitra hitandroana ny filaminana eny an-toerana.
Tsotra ny vahaolana, hoy ireo vahoaka dia ny fanafoanana ilay didim-panjakana izay manolotra ny tany ho an’ny fiangonana FLM, araka ny fangatahana efa nataon’izy ireo hatrany am-piandohana. Hanomboka ny asa fanamboarana ilay sekoly ambaratonga fototra sy ilay kianja manara-penitra avy hatrany mantsy izy ireo raha vantany vao foana io didim-panjakana io, tetikasa hiarahany amin’ny solombavambahoaka Naivo Raholdina voafidy tao amin’ny Boriborintany fahadimy. Nanambara moa ity farany fa misolo vava ny vahoakany no hataony amin’ny raharaha tahaka itony raha efa nisy ihany koa ireo tompon’andraikitra avy eo anivon’ny fiangonana FLM tonga niala tsiny tao aminy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.