Ny marainan’ny zoma teo raha tsiahivina no tonga teo amin’ny tany misy ny toeram-piasan’ny mpanao asa tanana 1 vita amin’ny simenitra etsy Ambohitrakely ny andiana miaramila nitondra taratasy milaza fa tany miaramila no misy ity toerana fanaovana asa tanana ity ka tokony hiala teo ny tenany.
Nomena fe-potoana hatramin’ny omaly moa ny lehilahy ahafahany mangorona entana. Raha ny fanehoan-kevitry ny solontenan’ireo mponina teny an-toerana dia tsy ara-dalàna ny fomba nanalana ity mpanao asa tanana ity teo amin’ilay tany. Trano efa am-polony taona ary misy mpandova no miorina eo ary raha ny tokony ho izy dia misy taratasy avy any amin’ny tribonaly. Ny miaramila ve, hoy izy ireo, afaka manome “préavis”? Tsy nisy vadintany akory tonga. Aiza ihany koa, hoy hatrany izy ireo, no misy tany miaramila ka misy sekoly miorina ao anatiny raha tsy ity tany ity ? Tsy fantatra mazava moa, raha ny nambaran’ireo mponina, ny hevitry ny filoham-pokontany eny an-toerana mikasika ity tany eo ampitan’ny toby miaramila etsy Betongolo ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.