Mitohy hatrany ny tolon’ireo mponina eny amin’ny fokontanin’Ambohitrakely, ampitan’ny toby miaramila etsy Betongolo, manoloana ny fanerena olona hiala izay efa nonina sy nanajary ny tany hatramin’ny taona 1982, raha ny fazavana.
Nisy ny fanangonan-tsonia tontosain’ireo lasibatra ary hiroso amin’ny dingana fanatonana ireo tompon’andraiki-panjakana hisahana ny raharaha manomboka izao izy ireo. Etsy an-kilany, tsy mety manala intsony ireo sora-baventy mitsatoka hazo milaza fa tany miaramila tsy azo idirana ao amin’ity tany ity ny eo anivon’ny militera. Naneho tamin’ny mpanao gazety ireo taratasy manamarina ny maha tompon’ny tany azy moa ireto mponina lasibatry ny fibodoana tany ireto ary porofo fa nanajary ny tany ihany koa izy ireo raha ny fanazavana ny fisian’ny hazo fihinamboa midoroboka eo amin’ny tokotany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.