“ Tsy hanaiky ny tsindry hazo lena sy fandrobana ny taninay sy ny tranonay toy izao izahay, fa hitory an’i R.J.B amin’ny fandravana an-keriny sy famotehana ny fanananay ”, hoy ireo mponina an’arivony nidina an-dalambe nilanja sorabaventy, ny zoma tolakandro teo, tany Toliara, nanaitra ny sain’ny mpitondra tamin’ny fakana an-keriny ny tanin’izy ireo
. Vahoaka 700 latsaka kely ao amin’ny fokontany Mahavatse II Toliara no tsy manan-kialofana amin’izao, nanomboka ny zoma teo, taorian’ny fanesorana an-keriny azy ireo tamin’ny trano fonenany, satria nitondra mpitandro ny filaminana sy vadintany ny milaza ho tompon’ny tany mirefy 32a 38ca (villa Papohako TF n° 4333) ankehitriny, ary nanambara fa nandresy ny fokonolona an-jatony teny amin’ny fitsarana ny 3 martsa lasa teo. Marihina fa misy trano miorina 60 tafo, ny sasany efa ho 80 taona mahery amin’io tany io, ka ny dimy amin’ireo trano vato.
Olona telo torana, hitory mpangalatra tany ny vahoaka
“ Tsy nisy fampandrenesana nialoha, tsy nisy fanajana amin’ny maha olona fa dia natsipitsipy teny an-tokotany ny entana rehetra tamin’ireo trano. Ny nihidy (tsy teo ny tompon-trano) novakiana ny varavarana. Tsy afa-nanoatra ny vahoaka nanoloana ny vava basy sy ramatahora isan-karazany “, Rtoa Odette Jean Mora, 89 taona, zanaky ny tena tompon-tany (Papohako efa maty) sady teraka sy lehibe teo, izay gaga sady nalahelo tamin’ny fandravana sy famotehana ny fananany. Olona telo kivy no torana tsy nahazaka ny famotehana ny fananany, ka ramatoabe mananika ny 80 taona ny iray. “ Ilaiko ny taniko fa misy olona ambony manam-bola hividy azy. Tsy maintsy roahina faran’izay haingana ireo vahoaka ireo fa resy ary tsy maintsy horavako ny trano rehetra miorina eo ”, hoy R.J.B (tompon’ny tany vaovao) sady dedaka no nahitsy fiteny namaly ny mpanao gazety. Raha ny nambarany dia 100 000 fmg (roa alina ariary) no nividian-drainy io tany mirefy 32 a sy 38 sa ny taona 1978.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.