Actualités

Ady tany ao Tanandava Toamasina Mifanolana ny vahoaka sy ny “SPAT”


  • Alakamisy 19 Martsa 2015

Raikitra ny fifanolanana eo amin’ireo mponina miisa 187 tafo ao Tanandava “port sec III” sy ny Spat. Araka ny fanazavana nomen’izy ireo dia hoe ilain’ny Spat amin’izay ny taniny fa hisy orinasa hanofa izany aminy hananganana orinasa. Ho an’ireto mponina izay efa tamin’ny taona 1991 ny fianakaviana voalohany nanorim-ponenana tao,

 

 

 

 dia tsy hiala izy ireo ary vonona ny hiaro ny fananany hatramin’ny farany, araka ny resak’izy ireo omaly maraina. Raha ny fanazavana ihany koa, mbola misy raharaha momba azy ity eny anivon’ny fitsarana izay tsy mbola namoahana didy hatramin’ny taona 2010, ka mitaky ny hitsarana ny raharaha ny fokonolona ahalalana marina ny tena zava-misy momba ity tany ity. An-kilan’izay, nandritra ny fitondrana tetezamita, nosoniavin’i Hajo Andrianainarivelo ny didim-pitondrana laharana 27.201/2011 ny 11 septambra 2011, fa noesorina ary nosarahana amin’ity tany ambara fa an’ny Spat ity ny tany 4 manana ny titre “Home Kong” – “Vavy” – “La Réussite” – ary “Villa Mac Express” izay vahiny avokoa no tompony, nefa ny an’ireo vahoaka malagasy dia izao hoe halana izao. Milaza ny hiady hatramin’ny farany ireto fokonolona ireto, ka ho hita eo ny tohin’ny raharaha, izay ambaran’ny tale jeneralin’ny Spat hatrany fa vao mikitika io tanin’ny Spat ao amin’ny “port sec” io ny seranana, dia misy hatrany ny teny midina noho ny resaka politika sy momba ny filaminam-bahoaka ka lasa olana lava ny fakana ny tany.

 


 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT