Actualités

Ady tany ao Soamanandrariny Afaka ireo olona roa notorian’ny Advantista


  • Alakamisy 29 Jolay 2010


Afaka noho ny fisalasalana ireo olona roa notorian’ny fiangonana Advantista noho ny fandratrana sy fanimbana fananan’olona (fakan-tsary). Raha araka ny fantatra dia nandritra ny fidinan’ny olon’ny Advantista teny amin’ilay tany hiadiana eny Soamanandrariny no nitrangan’izany. Sady voadaroka ireo olona no mbola nopotehina ihany koa ny fakan-tsariny. Niakatra teny amin’ny fitsarana ady madio ny raharaha omaly. Etsy andanin’izay dia fantatra ihany koa fa nidina an-tsehatra teny Soamanandrariny ny tompon’andraikitry ny kaominina Ambohimangakely ary nanao fampitandremana ireo olona izay voalaza fa mibodo tanin’ny olona ary koa manao fanorenan-trano tsy nahazoana alalana. Aorian’io dia hisy avy hatrany ny fanalana amin’izay fomba rehetra mety hanatontosana izany raha sanatria ka mbola miziriziry amin’ny heviny ireo olona. Ny olana anefa, raha tena izay tokoa no hitranga, dia ny fahafahantarana fa fianakaviana miaramila avokoa ny ankamaroan’ireo mibodo tany. Mbola mety hafana hatrany ny raharaha… 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT