Actualités

Ady tany ao Salazamay-Toamasina Manjaka ny didin’ny be sandry


  • Alakamisy 01 Febroary 2018

“Tsy tanin’ny orinasam-pifandraisan-davitra ‘’Telma’ intsony io tany eto Salazamay atsimo io.

Manana porofo izahay fa tanim-panjakana madiodio io, ka manan-jo hangataka azy izahay vahoaka izay efa nataonay izany…”. Izay no nambaran’ireo olona an-jatony ireto mitaraina amin’ny didin’ny be sandry atao azy ireo, hiarahan’ireo tompon’andraikitry ny fananan-tany sy ity orinasam-pifandraisan-davitra ary ireo “gros bras” amin’izy ireo. Mazava ny voalazan’ilay “certificat juridique” nivoaka ny 12 oktobra 2017 teo raha ny angom-baovao, fa “Lazaret” manana ny titra 907-BA ity tany mirefy 04ha ity tany iadiana ity; saingy ao anatin’izay dia misy ampahany mirefy 79A sy 14Sa izay nofain’ity orinasam-pifandraisan-davitra ity tamin’ny orinasa Paositra tompony ary efa nahazoany titra vaovao 9641-BA noho ny fifanarahana teo amin’izy ireo. Noho izao olana izao dia tonga teny amin’ny fitsarana ny raharaha, ka nahazoan’ireto olona ireto ny “Ordonnance” laharana 1541-AG/17 ny 23 septambra 2017 nahafahan’izy ireo namefy ny tanin’izy ireo avy izay efa voatsiriky ny sampandraharahan’ny fananantany izany sy efa nahazoan’izy ireo laharana ireo antontan-taratasin’ny taniny avy nefa mbola niteraka olana hatrany ny raharaha. Ny volana desambra ny taona lasa dia nitondran’ity orinasa ity mpiasan’ny fananan-tany sy mpiasan’ny fandrefesan-tany ary “expert geomètre” tsy miankina ilay tany, ka raha avy nandrefy izany izy ireo dia nametraka “Borne”, ka nahatonga ireto olona ireto nampiditra fanindroany indray ny raharaha teny amin’ny fitsarana, izay nivoahan’ny “ordonnance” laharana 2301-AG/17 ny 20 desambra 2017 manakana ny fametrahana ireto “Borne”. Tsy nisy niraharaha anefa ireo didim-pitsarana ireo fa ny didin’ny be sandry no miasa, ka voatery nisy indray ny fampidirana ny raharaha teny amin’ny fitsarana indray, izay nandraisan’ny tonia mpampanoa lalàna didy fa “raharaha tsy misy tohiny intsony” ity ady tany ity. Milaza ny tsy hanaiky hatramin’ny farany anefa ireto vahoaka, koa ahiana ny hisian’ny sakorona tsy ho ela satria hiaro ny fananany “ara-dalàna” ireto fokonolona.

 

Rakoutou

 

 

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT