Actualités

Ady tany ao Sainte Marie Mitaky ny hamerenana ny volany i Tsiverilaza


  • Alakamisy 12 Novambra 2015

Nihaona mivantana tamin’ny mpanao gazety teto an-drenivohitra omaly ilay mpandraharaha tompon’ny tany sy trano ao Sainte Marie antsoina hoe :

 

 

 Tsiverilaza izay nobodoin’ilay teratany vahiny Rosiana vehivavy  mpiara-miasa aminy  (associé) miampy ilay trano discotheque feno fitaovana nopotehin’izy ireo. Nambarany tamin’izany fa azy madiodio ny tany nananganana io trano io izay mirefy 195 m2 natao bail miampy ny toko mi 396 m2. Mbola misy volany tafiditra ihany tamin’ny fananganana ny trano, hoy hatrany i Tsaralaza Nantenaina David na Tsiverilaza  saingy raha vantany vao lasa tany Fort Dauphin namonjy ny fahafatesan-dreniny itsy voalohany dia noravan’ilay vazaha vavy ny trano, nitadiavany mpiara-miasa hafa izay vazaha ihany koa nividy ny am-pahany 40 % amin’ny orinasa. Saika hataony rihina efatra io trano io ary tsy nahazoany alalana avy tamin’ny kaominina ny fananganana izany. Nambaran’ilay vazaha vavy  tamin’izany anefa  fa efa azy madiodio ny tany sy ny trano ary tsy misy hifampidirany intsony izy sy i Tsiverilaza. Vokany, nitory avy hatrany ity farany ary nilaza fa tsy hanatsoaka ny fitoriany raha tsy tafaverina aminy ny lelavola 28.000 Euro vidin’ny ampahan-taniny ankoatra ny vola tafiditra tamin’ilay trano sy ireo entana tao anatiny izay potika avokoa. Tsiahivina moa fa nisy ny mpanao gazety voakasi-tanana nandritra ny fandehanan’izy ireo nanao ny recoupement  tany an-toerana. Anisan’izany i Claudia izay mpanao gazetin’ny Radio Mazava Atsinanana ao Toamasina izay sady voarahona no potika fitaovana ihany koa.

 

Pati

Legende : Tsaralaza Nantenaina David na i Tsiverilaza nampiseho tamin’ny mpanao gazety ny maha azy ny tany iray manontolo misy ilay discotheque sy ny tokotaniny

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT