Matoky ny fandreseny amin’ny didim-pitsarana hivoaka amin’ny 26 aogositra 2015 izao ny firaisankinan’ireo mpiasa mpikambana ao amin’ny Fisemare,
araka ny tatitra fohy nataon’ireo solontena niatrika ny raharaha niaraka tamin’ireo mpisolovava azy ireo. Tena nafonja mantsy ny antontan-kevitra naroso teo anoloan’ny fitsarana teny Anosy omaly niaraka tamin’ireo porofo matevina ara-dalàna nananganana ny tranon’ny Fisemare eny Ankadifotsy. Torak’izany ihany koa ny fahazoan-dalana manome alalana ny fipetrahan’ity fotodrafitrasa iorenan’ny foiben’ny sendika eny an-toerana ity. Nanamarina rahateo ny teo anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa mbola amin’ny anarany hatreto io faritra io, araka ny fandraisam-pitenenana nataon’ny solontenany. Nangataka ny fanafoanana tsotra izao ny fampiharana ny didim-pitsarana moa ny mpiaro ny Fisemare maître Razafinjatovo Willy.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.