Actualités

Ady lova teny Ampandrana Voaroaka ny tompon-trano


  • Talata 14 Novambra 2017

Hafa kely tamin’izay tranga nisy, raha ny fitantaran’ireto fianakaviana nanao fitarainana manoloana ny fahatongavan’ny vadintany tetsy amin’ny trano fonenany tetsy Ampandrana omaly tamin’ny 6 ora maraina.

Tany sy fonenana nolovain’izy ireo tamin’ny raiamandrenibeny Ramarokoto misoratra amin’ny lahimatoany Raberanto mbola velona nanomboka tamin’ny taona 1991no nitondran’olon-kafa taratasy hosoka misy sonia hosok’ity raiamandrenibe ity ihany koa taratasy hafa milaza fa azy ireo ny lova. Efa notsaraina io fampiasana hosoka io tamin’ny taona 1992, fony fahavelon’Itompokolahy Ramarokoto ary resy teny amin’ny fitsarana. Taty aoriana anefa, ireo naharesy indray no resy ary nisy ny fampiakarana ny raharaha tany amin’ny fitsarana an-tampony tamin’ny 1 volana lasa saingy very an-javony. Ny zoma teo no nandefa taratasy ity nampiasa sonia hosoka ity fa mila miala ao amin’ny trano ireo nitaraina ny alatsinainy amin’ny 8 ora maraina. Omaly tamin’ny 6 ora maraina dia tonga niaraka tamin’ny vadintany sy mpitandro ny filaminana teny an-toeran tokoa ny tenany nanala ireo tompon-trano. Manao antso avo ny fitsarana sy ny mpitondra ireto tsy manan-kialofana tsy fidiny hampihatra ny fahamarinana.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT