Actualités

Ady fa tsy andrankandrana


  • Alakamisy 27 Aogositra 2015

Mampihoron-koditra ny zava-nitranga tany Ankazoabo atsimo satria dia nataon’ny dahalo vono moka ny miaramila, tsy vao izao no nisy zavatra tahaka izany fa efa hatramin’ny tetezamita nampalaza an-dRemenabila sy ny malaso ekipany

 


. Ny tena mahagaga amin’ny zavatra tahaka izao dia ny hoe :fa tsy mba nisy ve ny fitsirihana na fakana vaovao mialoha nataon’ny mpitandro filaminana sy ny tafika hoe tahaka ny ahoana ny zava-misy ? Mety firy eo ho eo ny dahalo any amin’iny faritra iny ? Firy ny miaramila tokony halefa any hanara-dia na hampandry tany ary tahaka ny ahoana koa ny fitaovana mila entina ? Nahoana no nalefa fotsiny tahaka ireny ampidirina ao an-davaky ny liona ireny ireo miaramila ? Tsy efa fantatra hatry ny ela ve fa an-jatony ireo dahalo ireo rehefa miaraka ary tena manana fitaovam-piadiana raitra sy moderna ry zareo ? Inona no manakana ireo manamboninahitra jeneraly efa ho 300 eto amintsika mandrafitra paikady mazava sy mahomby hiadiana amin’ny asan-dahalo ? Sa tena sarotra be ve ilay izy ? Sa misy antony tsy hanaovana azy mihitsy ? Mampalahelo raha andrakandrana sy kitsapatsapa no hahafatesana olona tahaka izao . Efa fantatra fa tsy misomonga ilay fahavalo dia mila mivonona tsara e !

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT