Omaly no natao tetsy amin’ny Hotely Ibis Ankorondrano ny fikaonan-doha arahina adihevitra nataon’ny ivontoeram-panofanana ara-diplomatika sy stratejika (CEDS).
Anisan’ny foto-kevitra lehibe novoizina tao anaty famelabelarana ny tokony hananana vina hanomezan-danja ny tontolo ambanivohitra. Teo ihany koa ny fandinihana lalina momba ny fototry ny olan’ny asa sy fampananan’asa eto Madagasikara, indrindra any amin’ny tontolo ambanivohitra izay iainan’ny 82%-n’ny mponina. Na dia maro an’isa ary izy ireo dia kely ny fandraisan’anjarany amin’ny fampandrosoana ny firenena. Misy antony maro manakana azy ireo ny amin’ny fampivoarana izany sehatra izany toy ny tsy fandriampahalemana izay ateraky ny tsy fisian’ny asa sy ny fampananana asa. Ataon’ny fitondrana ambanin-javatra ny politikan’ny fampananana asa izay tena antoky ny fampandrosoana ny firenena, hoy Ramatoa Clara Vololomboahangy mpiofana ao amin’ny CEDS ka mampitombo ny tahan’ny fahantrana eto Madagasikara. Novelabelarina tao amin’ity fikaonan-doha ity fa tokony hapetraka amin’ny toerana sahaza azy ny asa sy ny fampananana asa. Ny fananana asa mantsy no ahafahan’ny olona any ambanivohitra mividy izay rehetra ilainy toy ny sakafo, fanafody ary antoky ny fampianarana ny ankizy. Rehefa miasa ny tanora dia mihena ihany koa ny tsy fandriampahalemana. Iaraha-mahalala fa ny tsy fisian’ny asa eto Madagasikara no mahasarika azy ireo amin’ny fitadiavana vola maika sy vola mora azo ka mahatonga azy hanita-kevitra hangalatra.
Tsiry
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.