Sakana amin’ny fanatanterahan’ny Bianco an-tsakany sy an-davany ny asany momba ny ady amin’ny kolikoly ny tsy fahampian’ny fitaovana sy ny tetibola enti-miasa.
Izany indrindra no anton’ny fivoriana notanterahana omaly teny amin’ny Hotely Colbert Antaninarenina, niarahan’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly sy ny mpiara-miombon’antoka teknika sy ara-bola ary ny governemanta izay ny praiminisitra Solonandrasana mihitsy no tonga tao. Hamaly ny antso ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ka hanome tanana ny Bianco. Nanamafy ny praiminisitra fa manohana ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara ny fitondram-panjakana. Fanambarana izay somary nahagaga ihany rehefa hita ny zava-misy momba ny raharaha Claudine Razaimamonjy satria miady irery ny Bianco kanefa lasa mangingina. Ny antsasaky ny asa tokony hatao ihany no nahazo famatsiam-bola ho an’ity taona 2017 ity ary mahatratra 2 miliara ariary ny banga ao anatin’ny tetibolan’ny Bianco. Ny taona 2015 no napetraka ny paikady nasionaly ho amin’ny ady amin’ny kolikoly mandritra ny 10 taona (2015-2025), niaraka tamin’ny drafi-panatanterahana azy. Nametraka fanampy ny Bianco fa hanana fandaharanasa manaraka tetiandro mazava isan-taona, ary efa nirosoana tamin’ity 2017 ity ny hafainganam-pandeha mafy kokoa mba hahazoana vokatra mivaingana. Mila ny fanampian’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka aminy ny Bianco mba hahatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa makadiry iantsorohany. Fanetriben’ny firenena ary manitatra hatrany ny elanelana eo amin’ny mpanefoefo sy ny fadiranovana ny fanaovana kolikoly, indrindra ho ana firenena mahantra toa an’i Madagasikara sady mamboly toe-tsaina tsy tia fivoarana. Mandeha ila ihany koa anefa ny asan’ny Bianco raha toa ka malemy ny rafi-pitsarana handray ireo voarohirohy amina raharahana kolikoly na mitsabaka tsotra izao anatin’ilay izy ny fitondram-panjakana, dia foana ho azy eo ilay fahaleovantena ka mitohy hatrany ny kolikoly.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.