Nivoaka omaly ny tatitry ny Transparency International-Initiative Madagascar momba ny tontolon’ny kolikoly sy ny toeran’i Madagasikara momba izany ho an’ny taona 2017, io ilay antsoina hoe IPC (Indice de Perception de la Corruption).
Mason-tsivana miisa 8 no hijerena an’io, ka isan’ny mandray anjara amin’izany ny Banky Iraisam-pirenena. Nilatsaka 2 ny naotin'i Madagasikara, ary nihemotra toerana 10 mitaha amin’ny tamin’ny 2016. Laharana faha 155 amin'ny 188 isika ary nahazo naoty 24/100. Tena be kolikoly lavitra sy lasa alohan’i Kaomoro, Kameronina, Ouganda, Kenya. Tsy nahagaga anay raha nihemotra satria raha ny zavatra niseho teto amin’ny firenena tamin’iny taon-dasa iny dia maromaro ilay hoe: “scandale financier” na ilay hoe raharaha goavana izay novoizina tao anatin’ny serasera rehetra, indrindra ny nanombohan’ny firaisamonim-pirenena sy ny mpanao gazety nanatsikafona ireny raharaha misy fanodikondinana volam-panjakana ireny, hoy ny Tale Jeneralin’ny Bianco Jean Louis Andriamifidy. Taloha mety tsy dia tena voaboraka fa tamin’iny taona iny, dia maro ny mpanao gazety nanao izany, ary ny fanadihadiana nataon’ny Bianco dia toa nanamarina ireny, hoy izy. Nanamafy io tompon’andraikitra io, fa vokatry ny tsy fahampian’ny finiavana ara-politika eto amintsika hiady amin’ny kolikoly ihany koa ny fihemorana. Tsy andraikitritry ny rafitra izay napetraka irery ny ady amin’ny kolikoly satria ny Bianco natao hitarika, ka tsy izy irery no natao hiady amin’ny kolikoly fa ny tompon’andraiki-panjakana rehetra, hoy hatrany izy. Avy any ambony ny leson-dratsy mampirongatra ny kolikoly, ary manaporofo izany ny zava-misy rehetra. Nilaza anefa ny Filoham-pirenena tamin’ny fandaharana fotoam-bita nataony fa mila atomboka any amin’ny vahoaka io, fa tsy tokony ho variana sy hiresaka momba ny kolikoly avo lenta foana isika. Ara-bakiteny ny hoe mpitari-bato mpitari-bato vilam-bava, saingy tsy mba manana finiavana ny hiova. Izany ve no mbola hitarika firenena hatramin’ny 2030!
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.