Nankalazaina ny sabotsy 09 desambra lasa teo ny andro maneran-tany iadiana amin’ny kolikoly.
Tetsy amin’ny café de la gare Soarano no nanamarihana izany ho antsika teto Madagasikara ka ny tanora no tena niantefan’ny fanentanana tao anatin’ilay loha-hevitra hoe : tanora leo kolikoly, mandray andraikitra amin’ny ho aviny. Saika fikambanana tanora miady amin’ny kolikoly avokoa no nandray anjara tamin’ny hetsika noho izany toy ny ONG Tolotsoa izay manao antso avo ny amin’ny tokony hamerenan’ireo mpanao kolikoly ny fananana azony tamin’izany asa ratsy izany ankoatra ny fanagadrana azy. Tsy ampy intsony ny fampiharana ity lalàna farany ity izany hoe ny fanagadrana fotsiny, hoy izy ireo.Tsapa ho maivana loatra ny sazy no sady mitarazoka ny fampiharana ny lalàna ka izay no mampitarazoka ny ady amin’ny kolikoly eto Madagasikara, raha ny fahitan’ny maro azy ary tsy mandà izany ireo mpisehatra amin’ity asa iray ity. Mbola nanamafy izany ny tale jeneralin’ny Birao mahaleo tena iadiana amin’ny kolikoly na ny Bianco Atoa Andriamifidy Jean Louis. Nambarany fa nanomboka tamin’ny taona 2015 isika eto Madagasikara no efa nanao ezaka mafy tamin’ny fametrahana ireo lalàna fototra hahafahana miady amin’ny kolikoly izay arahin’ny fametrahana ny Fitsarana manokana hisahana izany sy ny lalàna momba ny famotsiam-bola saingy tsy maintsy mbola holanian’ny eny anivon’ny Antenimieram-pirenena aloha ireo. Mpitsara notsongaina sy vita fiofanana mihitsy moa raha araka ny fanazavan’ny Ministry ny Fitsarana Rasolo Elysée Alexandre no tendrena ho mpikambana ao anatin’izany raha hasiam-panamboarana daholo ihany koa ny fonja manerana ny Nosy. Tsiahivina moa fa anisan’ny nanome aina ny fanentanana teny an-toerana ireo mpianatry ny Lycée La Prime eny Anosibe.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.