Actualités

Ady amin’ny kolikoly Miady irery ny Bianco


  • Sabotsy 24 Febroary 2018

Ny birao mahaleotena misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny Bianco no nanao ny fanadihadiana mikasika ny fanadinana hidirana tao amin’ny ENMG, izay nofoanana farany teo, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny SMM, Faniry Ernaivo, tamin’ny antso an-tariby omaly.

Tokony hitohy, hoy ny tenany, ny fanadihadiana fa tsy mionona amin’ny fanalana ny talen’ny ara-bola (DAF) fotsiny. Ny tena nahagaga mantsy, hoy izy, dia hoe naninona no nisy nahavita nanao « intervention » tao anatin’ilay fanadihadiana. Ny taona 2011 sy 2012 efa nisy ny tranga toy io fa tsy niteny ny fitsarana. Mbola hita ho voafetra ihany hatreto ny fidirana lalina ao anatin’ny fanadihadiana mikasika ny raharaha kolikoly eto amintsika. Ho sahy hamoaka anaran’olona ve ny SMM sy ny Bianco ? Matoa misy ny mpanome, tsy maintsy misy ny mpandray. Iza moa anefa no mpisehatra amin’izany raha tsy ny mpiadina sy ny mpitsara ? Hita ho mbola miady irery koa ny Bianco no sady hiangonan’ny rihitra rehetra.

J. Mirija 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT