Handray anjara amin’ny kaonferansa goavambe momba ny hain-tany sy ireo mahatonga izany (COP 13) izay hatao any Ordos, Sina, i Madagasikara, ny 4 hatramin’ny 16 septambra ho avy izao.
Fifanarahana hatao eo anivon’ny firenena mikambana indray izy ity manoloana ny olana vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana. Efa matetika niharan’ny hain-tany ny nosintsika ary nampatahotra indrindra izay nitranga ny fiandohan’ny taona 2017 teo ka naharitra ny reniranon’i Mandroseza. Mbola hianjadian’ny hain-tany hatramin’izao ihany koa ny tapany atsimon’ny nosy. Efa nisy ny fivoarana teo amin’ny lafiny tsy fanjarian-tsakafon’ireo kilonga madinika, raha ny nambaran’ny sampandraharaha tompon’andraikitra na CRENI ao Ambovombe satria dia nihena 11% raha 14% tamin’ny taon-dasa ireo zaza iharan’ny tsy fanjariana izay vokatry ny fipetrahan’ity rafitra ity ao an-toerana. Nihena 2% ihany koa ireo zaza maty.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.