Misy ny fizahantany mamoafady na “Tourisme sexuel” eto amintsika. Ezahina tsy hitombo sy, hoy ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka omaly.
Ny ady amin’izany no tsy maintsy hataontsika, ary mampirisika ireo hotely sy mpandraharaha ara-pizahantany rehetra eto Madagasikara ny minisitera, mba hilaza aminy rehefa misy mpizahatany tonga, ka hitan’izy ireo fa hafahafa ny fihetsika, toy ny fanodikondinana sain’ny ankizy tsy ampy taona, mba hampilaza ny tompon’andraikitra satria tsy azo ekena mihitsy ny zavatra mamoafady tahaka izany. Ny tenako mihitsy no hijoro hiaraka amin’ny mpiara-miasa dia ny sampandraharaha misahana ny ady amin’ny fizahantany mamoafady sy ny fanararaotana ara-nofo mahazo ny zaza tsy ampy taona ao anatin’izany na ny ECPAT (End Child Prostitution, Child Pornography and Trafficking in Children for sexual Purposes), hoy ny minisitra. Tsy azo homena endrika tahaka izany ny fizahantany eto Madagasikara satria eto amintsika dia firenena tsara tarehy, misy zavaboary sy zavamanan’aina tsy misy manerana izao tontolo izao. Tokony ho toe-tsaina tsara no hoentina aty amintsika, ka mba mpizahatany mendrika no tonga eto Madagasikara. Olana eto amintsika, indrindra ny any amin’ny faritra sasantsasany anefa ny hoe: ny ray aman-dreny mihitsy no mandrisika ny zanany hiaraka amin’ny vazaha mba hahazoana volabe. Eo ihany koa ny faniriana sy ny finiavan’ny tovovavy Malagasy sasany hanambady vazaha, ka hatramin’ny zaza tsy ampy taona no efa manana ilay faniriana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.