Actualités

Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro Mpianatry ny lisea telo mirahalahy no notolorana loka


  • Alarobia 28 Jona 2017

Rakotonirina Nomenjanahary Zo, mpianatry ny lisea ao Ifanadiana, Ramahalaza Brian mpianatry ny lisea Rabemananjara Toamasina ary Razafimandimby Lionot mpianatry ny lisea Antaninarenina Toliara I

 

  no nibata ny amboara tamin’ilay fifaninanana nokarakarain’ny minisiteran’ny fanabeazam-pirenena sy ny Vivo Energy mikasika ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay nanaovan’ny roa tonta sonia fifanekem-piaraha-miasa ny volana aprily lasa teo. Nanomboka ny volana mey lasa teo no nanatanterahana ity fifaninanana nasionaly andiany faharoa ity ary tamin’ny alakamisy  kosa no nampahafantarana ny vokatra tamim-pomba ofisialy. Tanjona tamin’ny hetsika ny hahafahana manomana taranaka vanona sy vonona hiady amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ho tombontsoan’ny rehetra. Lisea miisa 372 raha tsiahivina no nandray anjara manerana ireo faritra enina dia Vatovavy Fitovinany, DIANA, Boeny, Vakinankaratra, Atsimo Andrefana, Atsinanana. Teo koa ny distrika saro-dalana toa an’i Kandreho, Soalala ary Ambatomainty. Tetikasa miisa 2.062 no voaangona avy amin’ireo mpianatry ny lisea 200.000 isa. Hita tao anatin’ireo vondron’ny mpitsara ny olon’ny Vivo Energy, ny fiarahamonim-pirenena, ny solontenan’ny ONG WWF ary  manampahaizana manokana miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nisy ny loka goavambe natolotry ny Vivo Energy ho azy ireo toy ny fahitalavitra miloko, ny solosaina entin-tanana, ny finday…

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT