Manomboka hita taratra mivantana eto amintsika ary misy fiantraikany avy hatrany amin’ny fambolena mihitsy amin’izao fotoana izao ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika.
Hiara-kiasa akaiky manoloana izany ny tetikasa Miary sy ny sampandraharaha mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby.Tsy afaka misaraka mantsy raha araka ny fihaonana notanterahin’izy ireo tetsy Antaninarenina omaly ny toetrandro sy ny fambolena izay tena hiainkinan’ny ain’ny firenena. Mba hanatsarana izany sy ho fanamafisana ny ady atao amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ary dia hanangona ny antontam-baovao avy any sampana mpamantatra ny toetr’andro ny tetikasa Miary. Hampahafantariny ireo tantsaha eto amin’ny Faritra Analamanga sy any amin’iny Faritra Itasy iny ny vokatra azo aorian’izany, hahafahan’ireo tantsaha manao famokanarana mifanaraka amin’ny zava-misy. Haharitra dimy volana eo ho eo ity tetikasa ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.