Toy ny isan-taona dia misy hatrany ny fanazaran-tena ho an’ireo efa notsongaina hatrizay hanatanteraka ny vonjy voina sy fisorahana ny fahalotoan’ny ranomasina vokatry ny fahaverezan-tsolika an-dranomsina na an-tanety.
Teny amin’ny sisin-dranomasina misy ny seranan-tsambon’i Mahajanga no nanaovana izany ny talata 5 desambra 2017. Mba hanamafisana ny traikefan’ireo mpisehatra sy hahafahan’izy ireo manao ny asa fanazaran-tena, ka hampihatra izany avy hatrany rehefa tojo fahaverezan-tsolika na akora simika mety hamoa-doza amin’ny ranomasina no tanjona. Nampiasaina ireo fitaovana toy ny lakana haingam-pandeha, “écrémeur”, barrages boudins,… ka nandray anjara mavitrika ireo mpamonjy voina sy ireo mpiasa efa natokana amin’ity sehatry ity. Ankoatra ny teknika mahazatra, dia nomena lanja bebe kokoa ny fahaizana mijery ny laharampahamehana amin’ny vonjy voina atao manoloana ny fahapoizinan’ny ranomasina, indrindra ny familiana toerana ireo akora very mety hamoa-doza. Tamin’iny lavan’ny seranan-tsambon’i Mahajanga iny no nanaovana ny fanazaran-tena noho ny faritra izay tena ambony ny herijika hisian’ny loza sy fandotoana. Nanazava ny mpampiofana, fa natao izao fanazaran-tena izao mba hiomanana, indrindra manoloana ny tetikasa fikarohana solika manomboka mahazo vahana eto amintsika. Mila vonona amin’ny fotoana rehetra hatrany ihany koa ny OLEP manoloana ny mety ho fahaverezan-tsolika an-dranomasina, ka mila hamafisina hatrany ny fahaiza-manao. Tsara ny manamarika fa nialohavana fiofanana ara-teorika ny hetsika.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.