Tsy mbola ampy 9 tapitrisa dolara ny tetibola iadiana amin’ny firongatry ny valala eto Madagasikara hatramin’ny faran’ny taona 2016. Ao anatin’ny dingana faharoa ny hetsika ankehitriny izay ilaina lelavola 6 tapitrisa dolara.
Nitondra ny anjara birikiny ny sampanasan’ny Firenena mikambana misahana ny fambolena sy ny sakafo na ny FAO tamin’ny alalan’ny solontenany eto Madagasikara Patrice Talla Takoukam. Mitentina 5 hetsy dolara na 1 439 500 000 Ariary ny sora-bola izay natao sonia omaly teny amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny Fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra Anosy. Nanamafy ny antso tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ara-bola hanafaingana ny fanampiana azo tao moa ny minisitra mpiahy Ravatomanga Rolland. Efa nivoatra ny vokatra azo ankehitriny mihoatra ny tamin’ny taon-dasa, hoy ity mpikambana ao amin’ny governemanta ity. Mivangongo ao Miandrivazo sy Malaimbandy ireo andiam-balala amin’izao fotoana izao, araka ny tatitry ny minisitra izay nidina tany an-toerana ny herinandro lasa iny.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.