Hanao hetsika itambarana ho fampandriana fahalemena ny tany manomboka izao ny Tafika Malagasy sy ny Zandarimariam-pirenena. Io no nampahafantarina ny mpanao gazety omaly teny Ampahibe nandritra ny fihaonana tamin’ny minisitry ny Fiarovana sy ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary
. Komandy iray ihany no hitantana izany hetsika izany ary hitoby amin’ny toerana iray ihany koa ireo mpitandro ny filaminana hanao ny asa ka voakasika amin’izany ny ministeran’ny Ati-tany sy ny ministeran’ny Fitsarana ary ny ministeran’ny Mponina. Ho an’ny any ambanivohitra dia tsy vao sambany ny fisian’izany fa ho an’ny renivohitra kosa dia tsy dia nahazahoana vaovao mazava loatra indrindra fa eo amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Polisy. Tsy fantatra hatreto na ho foana koa izany ny EMMO na ahoana ny fomba hampandriana fahalemana ny renivohitra ?
Tsy dia nahafaly ny Jeneraly Paza Didier Gérard, Sekreteram-panjakan miadidy ny zandary kosa ny fanamarihana nataon’ny mpanao gazety iray momba ny tsy fahatokisan’ny «communauté» ny zandary. Ny valiteny nomeny dia ny hoe : mandehana mijery hoe iza no miambina ny tranon’ny masoivoho amerikanina fa zandary no ao ! Fa ny tsy azon’ny jeneraly Paza angamba dia ny fahatokisan’ny vahiny na ny teratany malagasy amin’ny fanatanterahan’ny zandary ny asany amin’ny sarambabem-bahoaka mihitsy anie no mampametra-panotanina e ?
Ankoatr’izay dia nanao tatitra momba ny «Opération Fahalemena» ny lehiben’ny Etamazoro jeneralin’ny tafika ka tamiin’zany no nahafantarana fa omby 2 872 amin’ireo 2892 very no tafaverina tamin’ny tompony. Dahalo miisa 26 no voasambotra ary 9 no naratra raha 10 kosa no maty. Nahatratra 40 ihany ka ny isan’ireo basim-borona tratra. Momba ilay fomba nisamborana an’i Jean Pierre indray dia nilaza ny jeneraly Paza Didier Gérard fa tsy nankasitraka iny fihetsika iny ary tsy maintsy handray fepetra atsy ho atsy.
Andry Ratovo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.