Hotanterahina ny 21 sy ny 22 aprily ho avy izao indray etsy amin'ny lapan'ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina ilay Salon de l'emploi et de la formation andiany fahenina karakarain'ny Management Ressouces Humaines tarihin-dRafik Mohamedaly.
Orinasa miisa 36 anatina tranoheva tsirairay avy no handray anjara amin'izany. Manodidina ny 1.000 isa eo ho eo ireo tolotr'asa ho hita mandritra ireo roa andro ireo izay manana tanjona hanome asa ireo olona tsy an'asa eto an-drenivohitra na manana diplaoma na tsia. Hatreto mantsy, raha araka ny fanazavana azo, dia efa nahatratra 1 280 ireo olona nahazo tombontsoa tamin'ny hetsika tao anatin'ny andiany voalohany ka hatramin'ny fahadimy. Ny resaka fikirakirana solosaina, ny momba ny hotely sy nahandro, ny resaka fitanana birao, ny varotra no tolotr'asa betsaka hibahan-toerana mandritra izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.