Actualités

Ady amin’ny piraty Hanamafy ny 3P ny Bap sy ny Microsoft


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Mpanjifa vokatra piraty ny 85% maherin’ny Malagasy. Vola hatrany amin’ny 2,2 miliara dolara isan-taona no lanin’ny mpanjifa piraty manerantany. Mandany fotoana 1,5 tapitrisa ora ihany koa izy ireo amin’ny fanamboarana ireo fitaovana tsy orizinaly ireo. Ampahany amin’ny voka-dratsin’ny fampiroboroboana an-kolaka na mivantana ireo vokatra piraty ireo

 

tarehimarika naroson’ny orinasa Microsoft eto amin’ny ranomasina Indianina ireo teny amin’ny Carlton Anosy omaly. Nijoro ho vavolombelona nanamafy io tranga mampalahelo mikiky ny fiarahamonina Malagasy sy izao tontolo izao io ireo tompon’andraikitra avy amin’ny «Office Malgache du Cinématograhie» sy ny «Office Malagasy des Droits d’Auteurs». Ohatra misongadina nentin’ny tale jeneralin’ny Omaci Raharison Thierry ny hantsana eo amin’ny vola kirakirain’ireo mpanao piraty izay mahatratra 2,555 miliara ariary isan-taona sy ireo mpamokatra horonantsary izay tsy mandray afa-tsy 90 tapitrisa ariary. Nampiseho ny asa vita tao anatin’ny 3 taona nijoroany manerana ny nosy ihany koa ny «Brigade Anti-Piratage». Miisa 119 ny fisafoana natao, 180.079 ireo vokatra piraty tratra, 164 ireo olona voasambotra ary 61 ireo nahazo fampitandremana. Hofohazina indray moa ny fifanaraham-piaraha-miasa 3P tamin’ny taona 2004 eo amin’ny borigady miady amin’ny hosoka sy ny orinasa Microsoft.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT