Taorian’ny atrikasa fanadiovana sy ny Fidiovana manerana an’Antananarivo natao ny faran’ny herinandro teo dia nandray anjara ihany koa ny teo amin’ny Boriborintany fahadimy hitandroana ny fananana iraisana sy ny fahasalamam-bahoaka.
Tamin’ny alalan’ny Filohan’ny Sampana Sosialy Fanantenana ao anatin’ny Fikambanana FAFI V, tarihin-dRaholdina Hanitriniala no nanatanterahana izany. Fanolorana vola iray tapitrisa ariary entina hanampiana ny rafitra fahadiovana sy fidiovana ( RF2) avy hatrany no nisantarana ny asa hahafahana manampy azy ireo amin’ny fikarakara ny lalankely, ny tatatra. Tsy ampy hanadiovana ireo fokontany ao Ankadindramamy ny vola eo am-pelatanan’izy ireo, araka ny fantatra. Nitohy teny amin’ny kaomisarian’ny polisy ao amin’ny Boriboritany fahavalo etsy Analamahitsy ny hetsika ka nisy ihany koa ny fanolorana kojakoja toy ny papier vélin, Stylo maro loko, valopy karazany maro... ary vola dimy hetsy ariary entina hanampiana ny solika ampiasaina hanaovana fisafoana sy hivezivezena hamongorana ny tsy fandriampahalemana eny an-toerana, indrindra amin’izao ankatoky ny fetin’ny krismasy izao. Tsy latsa-danja ireo akany mitaiza zaza sahirana sy kamboty eny amin’ny Boriborintany fahadimy izay samy nahazo fanampiana avokoa.
.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.