« Paik’adim-pirenena iadiana amin’ny kolikoly, fiaraha-mientana handresy ny tsimatimanota sy hitandroana ny harem-pirenena » no lohahevitra entina hanamarihana ny andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny kolikoly anio alarobia 9 desambra.
Manamarika izany isika eto Madagasikara, izay manana ny rafitra enti-miady amin’ity fomba ratsy ity ka lolaharana amin’izany ny Bianco na ny birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly nitsangana tamin’ny 2004, manana ny foibeny eny Ambohibao. Misimisy ihany ireo antontan-taratasy voaray saingy vitsy ireo mpanao kolikoly voatsara sy nampidirina am-ponja raha ny eto Madagasikara no resahana ; raha ny tena marina aza dia ireo irakiraka foana no tratra fa ny lehibe dia tsy hita popoka foana.Hatreto dia tsy mbola mahavantana ny olna ny mitory eny amin’ny Bianco, ny kolikoly rahateo dia efa lasa fomba amam-panao eto Madagasikara saingy rehefa misy voa mafy vao taitra. Ny fanentanana sy fisorohana no hanombohan’ny Bianco ny asany , izay vao miditra amin’ny fanadihadiana sy ny fisamborana ary ny fampiakarana ny raharaha eny amin’y fitsarana ; ity farany ity anefa dia lohalaharana amin’ny fanaovana kolikoly eto Madagasikara ary manarakaraka azy aoriana ny zandarimariam-pirenena, ny polisim-pirenena, ny eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, ny ladoany ary ny tontolon’ny fahasalamana sy ny fanabeazana.Izany hoe ireo sehatra fototra eto amin’ny firenena mihitsy no hanjakan’ny kolikoly.Manipika mazava ny tale jeneralin’ny Bianco Jean Louis Andriamifidy fa : « Mila ny fandraisan’andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe ny ady amin’ny kolikoly. Ilana ny fanohanana ara-bola sy ara-pitaovana avy amin’ny fanjakana izany Manampy izany koa ny fanohanana avy amin’ireo mpamatsy vola sy mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ».Tsara homarihana fa laharana faha 133-amin’ny firenena 174 i Madagasikara raha ny tahan’ny fanaovana kolikoly no refesina, nihemotra izany isika satria laharana faha 118 tamin’ny 2012.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.