Miantsona mandritra ny herinandro ao Antsiranana ny sambo mpiady espaniôla «Galicia»
izay mitarika ny fanaraha-maso sy ny ady amin’ny jiolahin-tsambo, iandraiketan’ny Vondrona Eoropeanina aty amin’ny fari-dranomasina manodidina.
Nitsidika ity sambo arifomba sy moderna ity ny Filoha Rajaonarimampianina nandritra ny diany tao Antsiranana ny sabotsy teo ary nanamafy fa manan-danja tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny sehatry ny fahalemana an-dranomasina.
Maro moa ny firenen-dehibe mifarimbona amin’ny fiadiana amin’izay jiolahin-tsambo izay ary anisan’izany isika eto Madagasikara, koa antony iray hisian’ny fiaraha-miasa eto amin’ny tantsambo Malagasy sy ny Espaniôla ihany koa izany. Niantso tamin’ny fanamafisana izany fifandraisana sy fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta izany moa ny Filoham-Pirenena Malagasy raha nitsidika ny sambo hahafahana mampitombo ny traikefa sy hampiroboroboana ny fahaiza-miady amin’ireo jiolahin-tsambo sy ireo mpandroba ny harena an-dranomasintsika.
Nangonin’i Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.