Anisan’ny ady goavana ho an’ny firenena an-dalam-pandrosoana toa antsika ny ady amin’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Tetikasa iray mandray an-tanana sy mikarakara ireo tanora 11 ka hatramin’ny 17 taona voakasik’izany, ny ASAMA (Asa Sekoly Avotra Malagasy) tantanan-dRatiarison Hanta, filoha mpanorina azy.
Mampiavaka ity tetikasa iray ity amin’ireo tetikasa hafa, izay mamerina ny ankizy nitsoaka an-daharana an-tsekoly, ny fahavitany mampianatra mamaky teny sy manoratra ao anatin’ny folo volana voalohany, miampy folo volana faharoa hamitan’ny mpianatra ny taom-pianarana iray manontolo, ahafahan’ireo voakasika miatrika ny fanadinana CEPE. Mba ho fankasitrahana azy ireo tamin’ny asa vitany ary, dia hotolorana amboara anio any Paris, renivohitr’i Frantsa, Ratiarison Hanta, filohan’ny fikambanana. Ny UNESCO no hanolotra izany amim-pomba ofisialy, ahitana medaly sy diplaoma.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.