Actualités

Ady amin’ny fikorontanan’ny toetr’andro Mila asa fa tsy kabary, hoy ny filoha Malagasy


  • Talata 01 Desambra 2015

Mila arahin’asa fa tsy mijanona ho kabary fotsiny ny fiaiken’ireo firenena mandroso fa manana andraikitra goavana amin’ny fikorontanan’ny toetr’andro izy ireo, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina.

 

 

 Anisan’ireo filoham-pirenena sy filoham-panjakana 150 miatrika ny fivoriamben’ny COP 21 any Frantsa moa ny filoha Malagasy. Manan-danja loatra satria handinihana sy hanapahan-kevitra ny amin’ny hoavin’ny planeta tany ity fihaonana ity, hoy ny filoha Frantsay François Hollande, ka na hita ny marimaritra iraisana na rava maina ny fivoriana koa dia ho zava-doza no hitranga ho an’ny taranaka fara mandimby. Tanjona ny tsy hampihoatra ny 2 degré Celsius ny fitomboan’ny hafanana maneran-tany. Madagasikara dia vonona hiampita amin’ny fampiasana ny angovo azo havaozina, tsy maintsy dinihana ihany koa anefa ny lafiny maha olona satria tena misy akony amin’ny tontolo iainana ny fahantrana, hoy ny filoha Rajaonarimampianina. Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly ary haharitra 10 andro ny COP 21 atao ao Le Bourget-Paris.


Nangonin’i RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT