Mihamahazo vahana hatrany eto amintsika ny asa tsy mifanentana amin’ny maha olona, indrindra fa ireo mianjady amin’ny ankizy tsy ampy taona toy ny fanararaotana ara-nofo.
Mba hahafahana mamongotra izany dia vita omaly ny fanaovan-tsonia ny antontan-taratasy mirakitra ny « programme pays pour le travail décent » na fandaharan’asa ho an’ny asa mifanentana amin’ny maha olona sy ny fanaovan-tsonia ny fifanaharana amin’ny ady amin’ny fanararaotana ara-nofo ny ankizy misanda vola ary ny fizahantany mamoafady izay mamotika ny maha olona tanteraka. Andriamatoa Aeneas Chapinga Chuma, talem-paritry ny BIT na birao iraisam-pirenena momba ny asa, aty Afrika no nanatontosa izany niaraka tamin’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean, notronin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny. Haharitra efa-taona io fiaraha-miasa io izay manana tanjona hanome asa mendrika ho an’ny tsirairay avy, hahafahana mampandroso ny ara-tsosialy sy toekaren’ny tokantrano tsirairay avy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.