Actualités

Ady amin’ny famotsiam-bola Nahatratra 4.600 tapitrisa Ar. no saron’ny SAMIFIN


  • Alakamisy 06 Mey 2010

Mitaky paikady manokana ny fitsongoan-dia sy ny fanadihadiana momba ny famotsiam-bola satria teknisiana avo lenta mazŕna no manatanteraka azy ireny. Noho ny maha sarotra ny asa dia ilaina ny fandrindrana ny asa eo anivon’ny sampandraharaha samihafa miasa amin’ny sehatry ny famongorana ny famotsiam-bola, ny kolikoly ary ny fampihorohoroana.

Mpiasa maro ahitana manamboninahitra avy amin’ny zandary, polisy, ny Cis, ny Bianco, ny avy amin’ny polisy misahana ny raharaha ekonomika sy heloka bevava no nomen’ny SAMIFIN fiofanana momba ny paikady vaovao iadiana amin’ny famotsiam-bola nandritra ny roa andro tetsy amin’ny ENMG Tsaralalàna. “Zava-dehibe ny nahatontosana ny fifampiofanana mba hahafahana manenjika ireo mpanao hosoka. Mora kokoa mantsy ny fikarohana azy ireny rehefa mitovy tsara ny tadin-dokanga” raha ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny SAMIFIN. Natolotra ny Zandary, ny polisy ary ny Cis nandritra ny fotoana ihany koa ny volavolam-piaraha-miasa avy amin’ny Samifin.

Fitaovana mampidi-bola
Hatramin’izao dia ny sehatry ny varotra iraisam-pirenena no tena ahitana ny famotsiam-bola betsaka indrindra eto amintsika ka nahatonga ny sampandraharahan’ny fadin-tseranana hitady fiaraha-miasa amin’ny samifin sy ny bianco tamin’ny herinandro lasa. Raharaha goavana atrehan’ny roa tonta ankehitriny ny fandosirana fandoavana haban-tseranana sy haba nataona olona iray izay mitentina hatrany amin’ny 4,6 miliara ariary. Raha ny lalàna eto amintsika dia voasazy mandoa onitra mitovy amin’io lelavola io ilay mpanao hosoka. Nambaran’ny tale jeneralin’ny SAMIFIN, araka izany, fa fitaovana manampy amin’ny fidiram-bolam-panjakana ity sampandraharaha ity. Olana anefa ny tsy fahampian’ny fitaovana satria iray ihany ny fiara eo am-pelatanany.
 
Yves

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT