Dingana vaovao hifamatoran’ireo firenena manerantany hampahafantarina ampahibemaso mandritra ny fihaonana an-tampon’ny Firenena mikambana amin’ny faran’ny volana septambra 2015 izao ireo «Tanjon’ny fampandrosoana maharitra».
Vonona hanarina ireo lesoka tamin’ny tsy nahafahana nahatratra ireo «Tanjon’ny taona arivo fahatelo» miisa 8 nifanarahan’izao tontolo izao i Madagasikara. Fepetra goavana ho an’ny mpitondra fanjakana Malagasy ankehitriny anefa ny famahana ireo olana ara-tsosialy miaraka amin’ny fifehezana ny fitoniana politika mba tsy hiverenan’ny krizy vaovao raha te-handroso ireo tolo-kevitra fandrafetana paikady miainga avy amin’ireo firenena afrikanina mba hiditra ao anatin’ilay fandaharanasa hotanterahana aorian’ny taona 2015. Sakana fototra tsy nahafahan’ny firenena Malagasy niroso tamin’ireo ezaka isan-karazany moa ny fisian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009, araka ny fanadihadiana nasionaly mikasika ny fanarahan-maso ireo tondro momba ny OMD tamin’ny taona 2012-2013. Nanampy trotraka izany ny fahatapahan’ireo famatsiam-bola avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka nandritra ny fitondrana tetezamita naharitra 5 taona. Tena ratsy tanteraka, ohatra, ny vokatra mikasika ny ady amin’ny fahantrana lalim-paka. 52,7% mantsy io salan’isa io ho antsika eto Madagasikara raha manodidina ny 14% ny tanjona tokony hotratrarina ho amin’ity taona 2015 ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.