Actualités

ADY AMIN’NY FAHANTRANA Hanampy ny tantsaha sy vehivavy marefo ny CECAM


  • Talata 24 Martsa 2015

Tratra ny tanjona napetraka taorian’ny fiaraha-miasa’ny Tahiry sy Fampisamborana Ifanohanan’ny Tantsaha sy ny Tahirim-paritra fampiroboroboana ny fambolena any Atsimo Andrefana, amin’ny tolotra findramam-bola ho an’ny tantsaha manamora ny fahazoana fitaovam-pamokarana amin’ny sehatr’asa rehetra iasana. Ny FRDA mividy ny fitaovana, ireo tantsaha mikambana ao amin’ny CECAM kosa mamerina ny vidin’izany tsikelikely ao anatin’ny iray ka hatramin’ny telo taona.

 

 


Tsy matahotra mindram-bola hanatsarany ny fari-piainany

« Ny tanjona dia mba hisian’ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ady amin’ny fahantrana sy famoronan’asa ary fampiakarana ny toekaren’ny tokantrano mpikambana. Tsy matahotra mindram-bola intsony ny tantsaha amin’ny fampivoarana ny asa fihariany hanatsarany ny fari-piainany sy ny fidiram-bolany, ary mahaverina ara-dalàna ny vola nindraminy tamin’ny asa nataony », hoy ny talem-paritry ny CECAM Atsimo Andrefana, Razafimanantsoa Jean Olivier.

Vehivavy marefo 2 500, nandresy ny fahantrana

Marihina fa 6 000 mahery ny mpikamban’ny CECAM tompon’ny renivola amin’izao, ka ny 2 500 amin’ireo dia vehivavy marefo mivondrona anatina fikambanana 62, izay nandresy ny fahantrana tamin’ny alalan’ny fampisamboram-bola arahim-panabeazana (crédit à l’éducation) tsy misy antoka. Ny mpikambana tsirairay no mifanabe ara-pitantanana sy mifampatoky. Aorian’ny fiakaran’ny vokatra vao mamerina ny vola nindramina izy ireo.

 

Eric R.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT