Actualités

Ady amin’ny delestazy Mila 750 miliara Ar ny Jirama


  • Alarobia 18 Janoary 2017

Naharitra ora 4 ny fivorian’ny filankevitry ny governemanta teny Mahazoarivo omaly.

Fandinihana ny momba ny delestazy sy ny vahaolana hamahana azy no tena nibahan-toerana nandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta. Nivoitra tao fa nanome vola fanampiana ny Jirama mitentina 290 miliara ariary ny fanjakana tamin’ny 2016 ary efa ao anatin’ny tetibola ny fanomezana vola 250 miliara ariary ho an’ity taona 2017. Raha ny resaky ny avy ao amin’ny Jirama anefa dia tena mbola lavitry ny afo ny kitay satria mila 750 miliara ariary be izao ny Jirama mba hahafahany mihodina ara-dalàna amin’ity taona ity, ary mila vola maika 70 miliara ariary mba hanalefahana ny delestazy mamely an’i Madagasikara amin’izao fotoana. Henjankenjana ny fanapahan-kevitra izay tsy maintsy horaisina mandritra ny filankevitry ny minisitra izay hotarihan’ny filoham-pirenena anio alarobia satria avo 3 heny amin’ny tetibola noheverina izany no takian’ny Jirama (250 miliara Ar lasa 750 miliara Ar). Midika izany fa tena vao miha nihombo ny aretina ary tena niha mafy sy niitatra ny delestazy, noho ny tsy fisian’ny vahaolana tena mahomby fa asa vonjy tavan’andro fotsiny no natao hatrizay. Ahitana delestazy avokoa ireo tanàn-dehibe rehetra eto Madagasikara, mbola ny herinaratra no resahana eto fa olana hafa ihany koa ny famatsian-drano. Ho hita eo amin’izay ny ho fihetsiky ny fitondram-panjakana efa nilokaloka fa nahazo vola  be fanampiana 10,2 miliara dolara avy amin’ireo mpiara-miasa. An-kilan’izay, efa nilaza ny mpamatsy vola fa tsy tokony hanome fanampiana ny Jirama ny fanjakana. Anisan’ny masontsivana napetraka ho takalon’ny fivoahana ny famatsiambola io. Ao anatin’ny antsoina hoe vanim-potoana tetezamita amin’ny resaka famokarana angovo isika amin’izao fotoana, hoy ny tale jeneralin’ny Jirama omaly ka dingana manaraka irosoana ny fampiasana ny solika mavesatra na “huile lourde”, tahaka ny fitrandrahana ao Tsimiroro-Maintirano. Efa azo itsofohana ihany koa ny fampiasana ny tara-masoandro sy ny rivotra hamokarana herinaratra ary tanjona lavitr’ezaka ao anatin’ny 6 taona manaraka ny fananganana toeram-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano. Midika izany rehetra izany fa mbola baraingo ny hoavy ary tsy ho ato ho ato mihitsy no ho afaka ny delestazy.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT