Actualités

Ady amin’ny delestazy ao Brickaville Tafapetraka ilay “groupe” hamokatra 100 Kw


  • Zoma 27 Martsa 2015

Ny alakamisy lasa teo no efa tonga tao Brickaville ny “groupe” manana tanjaka 100 Kw nentina namahana ny olan’ny delestazy tany an-toerana, ny sabotsy nandritra ny hetsiky ny mponina nanakan-dalana teo ambonin’ny tetezana tao Brickaville

 


 

 Teo am-pametrahana azy ny mpiasan’ny jirama avy ao Toamasina, ka ny tokalandron’ny sabotsy ihany dia efa niverina ny herinaratra, na tsy maintsy mbola misy ihany ny fahatapahana mihodina amin’ny alina (heures de pointe). Efa eo am-panamboarana ilay “groupe” simba tsy manome afa-tsy 1 Kw monja ny teknisian’ny jirama izao mba hahazo ny tanjaka tena tokony havoakany hanampiana ny fitaovana napetraka tsy hisian’ny delestazy mihodina amin’ny alina intsony. An-kilan’izay, dia nahazo fitaovana mpamokatra herinaratra roa manana tanjaka 100 kw avy koa i Mahanoro, entina namahana ny tsy fisian’ny herinaratra tany an-toerana. “Ny tonta ihany no avadibadika eto aminay izao amin’ny maha efa antitra ny fitaovana misy, saingy tsy mikosomaso izahay eto mba tsy hiaina ao anaty haizina ny vahoaka; ary mba tsy hitranga ny sakoroka mety hanimban-javatra  sy fifandonana…”, hoy ny toky famerin’ny talen’ny jirama Toamasina Raveloson Leonard

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT